Mampalahelo

Nampidirin'i lucarnirov | 30 Apr, 2009

Mampalahelo,

Iza mo no tsy alahelo manoloana izao zavatra mitranga eto amintsika izao, indrindra fa ny zavatra nitranga omaly hariva iny.Marina fa nikatsaka ny mangarahara sy ny mahasoa ny olona teny amin'ny 13 mey teo saingy indrisa fa ny teo aloha ihany no miverina.

Fa angaha tsy misy fomba afa mihintsy no tsy maintsy toy ireny no fomba fisamborana ny olona eritreretenas(praiministra)ho manelingelina ny sain'ny olona. Ny zavatra sûr alo zao de eran'izao tontolo izao dia nahita ireny intervention musclé sy tsy manaja ny zon'olombelona ireny e! de ahoana no fomba anazavana ireny zavatra ireny eo imason'izao tontolo izao.Nolazaina ve fa nanakorontana tao amin'ny kianjan'ny tempoly ireny olona ireny sy ny niaraka taminy sa oe manandratena ho mpanjaka izy.Izao no zavatra tsy maintsy hisy: homboy amin'ny hazo fijaliana politika izy izay no antso2 atao aminy.Mampalahelo ry zareo ah! de ho sanatria ve isika ho lasa zimbaboe gasy. Tsy mora ange ny mitondra fanjakana e! indrindra ny  fahazakana demokrasia.Ny mpitondra tiam-bahoaka dia pitondra mahay mahazaka izay lazaina satria ny vahoaka no andriana andrianina ny mpitondra dia voatery ho tsy maintsy panatanteraka fotsiny. Tsy mampaninona ny vahoaka ange izany fahantrana izany e! oviana moa isika nanana?

Ny tiany dia mpitondra mahay sy mahafe izany demokrasia izany, na aiza na aiza ange tsy maintsy hisy mpanohitra foana e!Ny antom-pisian'ny demokrasia dia misy mpanohitra ary misy ny toerina tsy midika izany oe miady. Ny evitra no ampiadiana fa tsy ny sandry na ny basy. Mba toy ny ahoana no zava-misy ra i ramatoa segolene royle na i dominique de vilpin no anaovan'ny mpomba an'atoa Nicolas sarkozy zavatra ohatr'ireny...Tsy fantatro, ny zavatra fantatro dia izao tsy ny toe-karena ihany no mampanan-karena na ny arena ankibon'ny tany ananan-tsika fa ny mpitondra mahay demokrasia ny mpanao politika mahazaka demokrasia, ny vahoaka mahay manaja ny demokrasia demokrasia mantsy mira(=) fahasamihafana,

izay alo no azo nosoratana fa mampalahelo ny zava-misy.Menatra ny teny iteny oe avy aty madagasikara malagasy aho, sady efa mahantra ara-materialy isika mbola mahantra ara-toe-tsaina koa.Tsy mendrika antsika ve ny laharana201 erantany amin'ny fahantrana.

Aiza ny voninahitra e!